- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndohotapenaka : Jiolahy roa vosambotry ny polisy

Andohotapenaka : Jiolahy roa vosambotry ny polisy

Tratra ihany ireo jiolahy roa anisan’ny nampitondra faisana ny eny amin’ny faritra Andohotapenaka. Ny iray voalazan’ny vaova fa tsy mbola ampy toana akory. Tamin’ny alatsinainy teo izy ireo no vosambotra. Ny vaovao re teny an-toerana no nahafantarana fa fantatry ny mponina eny amin’ny manodidina ny asa ratsy fanaon’izy ireo. Izay sendra an-dry zalahy dia mitondra faisana avokoa. Tsy mifidy izy ireo na vazaha na Malagasy fa ataony avokoa. Efa fotoana elaela no nampandre ny mpitandro filaminana misahana ny ady heloka be vava ny mponina.  Nidina teny an-toerana ry zareo nisambotra. Tamin’izany no nahafantarana fa tsy mbola ampy taona akory ny iray. Anisan’ireo jiolahy nampihorohoro iny faritra iny izy ireo.  Ankoatra ny fanendahana mantsy dia izy ireo ihany koa no tena manao ny sinto-mahery  sy fanafihana mitam-piadaina amin’ny faritra maro eny amin’ny manodidina.

Tamin’ny faha-8 aprily teo, niditra an-keriny tao amina trano iray ry zalahy ireo ary lasany tamin’izany ny vola 6 hetsy ariary, entana sarobidy isan-karazany ary tsy nohadinoiny ny naka firavaka volamena. Rehefa azony izany dia lasa nandeha izy ireo. Andro vitsy taty aoriana anefa dia voasambotra. Anjakan’ny jiolahy ny toerana rehetra eto an-drneivohitra, na andro, na alina. Eo ny fanafihana mitam-piadina arahana vonoan’olona, ny fanendahana, ny harom-paosy eny an-dalana sy anaty fiara fitaterana.

Rehefa vita ny famotorana ireo roalahy voasambotra dia natolotra ny Fampanoavana ry zalahy. Nalefa eny Tsiafahy ny iray ary ilay mbola tsy ampy taona, eny Antanimora.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser