Omaly alahady hariva, tokony ho tany amin’ny 6 ora tany ho any no nisy nanatitra teny amin’ny tranom-paty HJRA ny ny fatina lehilahy iray hita teny amin’ny faritra Andohotapenaka. Rehefa nataon’ny tompon’andrikitra ny fizahana ny razana dia fantatra fa vokatry ny fisotroana be loatra nandritra ny fotoana elaela no antony nahafaty an’ity olona ity. Omaly ihany moa dia efa tonga teny an-toerana ny havany naka ny razana. Mikasika ny fisotroany toaka dia toa hoe, nisy famoizam-po teo amin’ity lehilahy ity. Voalaza koa mantsy fa tsy nisakafo mihitsy izy na dia mandray zava-pisotro aza, saika isan’andro.
r.s.