- Publicité SW45 -
dimanche, juin 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohotapenaka : Lehilahy nanindrona antsy olona 4, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Andohotapenaka : Lehilahy nanindrona antsy olona 4, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany, lehilahy iray no nanindrona antsy olona efatra teny an-dalana. Naratra mafy avokoa ireo olona ireo fa ny roa no tena voa mafy ary tsy maintsy nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mamo ity lehilahy ity ary dia izay rehetra nifanena taminy dia nasiany avokoa. Tsy nanampo na inona na inona ireo voa. Ny telo voa teo amin’ny kibony fa ny fahefatra mba tsy dia naninona loatra. Raha nahita izany ny rehetra dia niezaka nisambotra an’ity rangahy ity. Avy hatrany dia voadaroka ny anao lahy. Tetsy andaniny, nisy avy hatrany ny niantso polisy. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nisambotra azy. Tsy fantatra izay niafarany teo raha tsy teo ireo polisy ireo. Amin’izao fotoana izao, noho ny ratra maro nahazo azy, tsaboina eny amin’ny hopitaly miaraka amin’ireo olona notsindroniny antsy ity mpietraketraka ity.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser