- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndohotapenaka : Mpanendaka iray voasambotry ny polisy

Andohotapenaka : Mpanendaka iray voasambotry ny polisy

Tamin’ny alakamisy teo, tamin’ny 9 ora maraina, no voasambotry ny polisy ny lehilahy iray 40 taona, tratra nanendaka vehivavy teny Andohotapenaka. Maro mpandeha iny lalana iny ka avy hatrany dia nosavorotahan’ny olona ity mpisam ity. Soa fa nisy polisy niasa tsy lavitra teo tonga nanakana ireo olona tsy hidaroka azy. Rehefa nentin’ilay mpitandro filaminana ny anao lahy dia voalaza fa mbola nandositra ihany. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra izy dia tratra indray. Ireo komitin’ny fandriampahalemana miasa eny an-toerana no nanampy ilay polisy nanenjika ity olon-dratsy ity. Rehefa nandeha ny fanadihadiana natao azy dia volazan’ny vaovao fa niaiky izy fa io fanendahana io no asany ary amin’iny faritra iny no fanaovany an’izany. Omaly faha-5 aogositra no natolotra ny  Fampanoavana ilay jiolahy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici