Renim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona, monina etsy Andohatapenaka, no torana sy niolana tenda, ny asabotsy hariva teo, rehefa nalana devoly tamin’ny fiangonana iray teto an-drenivohitra. Adiny iray vao nahatsiaro tena izy, rehefa novelombelomina sy nokosehina tongatra sy tanana. Rehefa nalana devoly ity ramatoa traboina ity dia safotra. Ny fiangonana ihany koa somary mihiboka nefa ny olona maro. Asa na ny dona mafy nahazo azy vokatry ny fianjerana rehefa nihizitra no nampiolana ny tendany, na antony hafa ? ! (samy manana ny finoany isika mpamaky). Noho ny fangatahan’ny mpitantana ao amin’ity fiangonana ity dia tsy tononina eto ny anarany sy ny toerana misy azy.
Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany dia mpilalao ody mahery ity ramatoa ity, ary efa nivoaka alina (mpamosavy). Fefiky ny rano ny tranony ka tao anatin’ny iray volana, misy fotoana amin’ny alina izy mihetsika aretina hafahaha (mikiakiaka toa kendain-javatra), avy eo safotra. Nentina tany amin’ny dokotera tsy nahitam-bokany. Hany herin’ireo havany nanatona ity fiangonana iray malaza amin’ny « délivrance », na fakana ny fatotr’ireo olona tratran’ny herin’ny maizina. Hita ho nitafy henatra ihany ireo havany nivoaka ity trano fiangonana ity, satria nitangorona ny teo amin’ny manodidina nijery ny zava-nisy. Ilay ramatoa voalaza ho mpamosavy torana niolan-tenda kosa tsy tonga saina firy, hita ho mbola reraka.
Eric Man