- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndotahapenaka : Mpivady nangalatra, hampidirana mpianatra

Andotahapenaka : Mpivady nangalatra, hampidirana mpianatra

Mpivady, izay efa ela nokarohin’ny pôlisy noho ny resaka fangalarana entana teny amin’ny tobim-piantsoan’ny taxibrousse eny Andohatapenaka no voasambotra. Ny sasany tamin’ireo entana azony moa dia nahitàn’izy ireo vola misimisy ihany. Volazan’ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena fa « namidin’izy ireo, nentina nivelomana, ny entana sasany raha nentin’izy ireo nampidirana ny zanany efatra mianadahy hianatra kosa ny vola ». Araka ny voalaza etsy ambony dia tsy vao izao ireto mpivady ireto no manao ity asa ratsy ity entina hameloman-tena fa efa imbetsaka ary efa maromaro ihany ireo nametraka fitairanana teny anivon’ny pôlisy. Ny faramparan’ny volana septambra lasa teo izao mantsy dia relijiozy iray no very entana teny amin’io toerana io. « Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny fitafiana rehetra sy ny vola 1.200.000 ariary tokony hitsaboany tena eto Antananarivo. Rehefa nozahàna ny « camera de surveillance » dia hita fa lehilahy sy vehivavy no niaraka nangalatra io entana io ». Ankoatra izay « naharay fitarainana indray ny polisy ny sabotsy faha 05 oktobra teo mikasika ny fahaverezan’ny vary iray gony tao amin’ny Gare routiere ihany. Nandritra ny fanadihadiana natao dia mbola ireo olona roa ireo hatrany no nangalatra io vary io ». Natao ny vela-pandrika rehetra araka izany ka ny alarobia lasa teo izy ireo no tra-tehaka, raha mbola nikasa ny hamerina indray ny asa ratsiny. Tamin’ny famotorana azy ireo moa dia niara-niaiky ny heloka vitany izy roa. Mafy tokoa ny fiainana. Iaraha-mahalala sy mizaka izany saingy tsy izany mihitsy akory no entina manao ny tsy fanao, ka hivelona amin’ny hatsembohan’ny hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici