- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndotapenaka : Fianakaviana telo tsy manan-kialofana vokatry ny hai-trano

Andotapenaka : Fianakaviana telo tsy manan-kialofana vokatry ny hai-trano

Trano iray no may omaly tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo, tao amin’ny fokontany Andotapenaka-3,  teo Vatobe 67Ha. Fianakaviana telo no traboina vokatr’izany. Soa fa tsy nisy naratra na koa aina nafoy. Tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny afo. « Ny azo antoka dia tsy resaka herinaratra satria tsy misy jiro ny trano», hoy ny niaram-boina.  Tsy azo heverina ho tao anatiny ihany koa anefa satria tsy nisy olona mihitsy tao amin’io trano io tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa samy namonjy ny asany avokoa ny tsirairay. Ny mpiara-monina sy ny polisin’Andotapenaka araka izany no niara-nisalahy namono ny afo nandritra ny antsasak’adiny teo. Efa maty tanteraka moa ny afo vao tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna. May avokoa ireo fanaka tao an-trano sy ny kojakoja isan-karazany toy ny lovia,  seza, fandriana, lamba firakotra, fahitalavitra ary ny vola. Tsy nisy azo noraisina intsony ny entana tao amin’io trano io afa tsy ny vilany izay tsy levon’ny afo.

Voarisoa Davidson

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici