Varavarana fiara mpitatitra iray tsy nihidy no nifaoka olona tetsy Andraharo ny alakamisy lasa teo. Tsy vitan’ny mijanona ela loatra eo amin’ny fiantsonana ireto fiara fitateram-bahoaka ireto fa mbola tsy manidy varavarana eny am-pandehanana ihany koa. Olona iray no naratra mafy vokatr’izany. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy anefa dia tsy maintsy nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ity naratra. Raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso moa dia tsy voahidin’ny mpamily mpanampy akory ny varavarana taty afara dia nandroso ilay fiara. Tsy hitan’izy ireo anefa fa nisy olona nijanonana teo akaiky ka izao voa mafy izao. Zotra mampitohy an’ Analakely sy Andraharo moa ity nandratra olona ity. Ny vaovao voaray no nahalalana fa ny havokavoka no nahitana tsy fahatomobanana ka mbola notazomin’ny mpitsabo eny hopitaly ilay naratra hatramin’izao ora hanoratanay izao. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ilay niharam-pahavoazana taorinan’ity tranga
Kanto R. (Stagiaire).