- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Fiara nidona tamin'ny "poteau", tovovavy iray maty tsy tsa-drano

Andraharo : Fiara nidona tamin’ny « poteau », tovovavy iray maty tsy tsa-drano

Omaly, vao mangiran-dratsy tokony tamin’ny 3 ora maraina, tovovavy iray 26 taona maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Andraharo. Fiara marika « Golf » saika ho any Akazomanga no nivoaka ny arabe, izay tsy fantatra hatreto  na vokatry ny olana ara-teknika na tsy fitandreman’ny mpamily. Tsy voatanan’ity farany intsony moa ny familiana ka dia nifatratra teny amina andrin-jiro iray teny an-toerana ilay fiara, taorian’ny nandomany fiara iray hafa nifanena taminy. Mafy dia mafy ny dona ka maty teo ho ho eo ilay vehivavy nipetraka teo alohan’ny fiara. Naratra mafy koa ilay mpamiliny ary tsy dia naninona firy ireo mpandeha tao amin’ilay fiara hafa voadona. Saingy kosa samy nahitana fahasimbana avokoa ny fiara roa. Ilay andrin-jiro teo amin’ny sisin-dalana aza nianjera vokatry ny hamafin’izay dona izay. Fa ankoatr’io dia lehilahy iray hafa ihany koa maty rehefa nodomina sy nohitsahina fiarabe iray, teny Ankadindratombo omaly atoandro. Tsy fantatra hatreto izay tena zava-nisy marina, fa araky ny filazan’ireo nanatri-maso dia toe niampita ilay lehilahy, tsy hitan’ny mpamilin’ilay fiarabe ary dia io voadona sy voahitsaka io. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana.

Mbola lozam-pifamoivoizana hatrany nitranga tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny alin’ny alakamisy lasa teo, teo Ambalavao. Fiara mpitatitra iray no nifandona tamina fiarabe, rehefa voalaza fa nilaozan’ny hisatra. Vokany, olona telo no namoy ny ainy ary maromaro ihany no naratra. Ny mpamily aza moa dia potipotika mihitsy ka voatery nosokirina tao anaty karaokam-by. Nentina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana sy ireo naratra rehefa avy nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny mpitandro filaminana.

Voarisoa Davidson

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici