- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Fiara nitsoaka rehefa nahafaty mpitaingina moto

Andraharo : Fiara nitsoaka rehefa nahafaty mpitaingina moto

Karohina ny tompon’andraikitra tamin’ilay lozam-pifamoivoizana. « Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana  teny Andaharo ny asabotsy tokony ho tamin’ny valo ora alina. Lehilahy 35 taona nitondra moto no maty tsy tra-drano », raha araka ny vaovao nampitain’ny polisy. Mbola nampian’ny loharanom-baovao mitovy fa : « rehefa nijery ifotony ilay lozam-pifamoivoizana ny polisy dia nilaza ireo olona teny an-toerana fa nisy ny fifandomana niseho teo amin’ity mpitondra moto ity sy ny fiara iray izay tsy nijanona fa nandositra avy hatrany raha vao nahita ilay mpitondra moto nianjera sy naratra mafy ». Nanokafana fanadihadiana avy hatrany ity raharaha ity ary mizotra any amin’ny famantarana sy fikarohana ny nahavanon-doza izany. Lazaina fa maditra fitondra sy tsy manaraka ny lalànan’ny fifamoivoizana hatrany ny mpitaigina kodiaran-droa. Mety misy fahamarinany ihany izany saingy tsy tokony hatao safobemantsina. Ny zavatra hitan’ny rehetra dia miady aman’aina hatrany izy ireo satria toa tsikaritra fa mitombo hatrany ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mpamily sy mpitaingina kodiaran-droa. Ny tena olana fototra anefa dia ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, toy ny làlana izay sady simba no tery.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici