- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Fito lahy nirongo basy nandroba, voafatotra ny mpiambina

Andraharo : Fito lahy nirongo basy nandroba, voafatotra ny mpiambina

Omaly tamin’ny 1 ora maraina tany ho any, jiolahy  fito nitondra basy mahery vaika no nandroba tao amina trano lehibe iray, tetsy Andraharo. Be dia be by zavatra lasan’izy ireo, telefaonina maromaro sy vola mitentina hatrany amin’ny telo hetsy ariary ary bisikileta iray. Niditra ilay tanàna ry zalahy, ny mpiambina no nafatony. Rehefa tsy afaka nihetsika intsony io farany io, nalaina daholo ny zavatra hitany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa tsy niditra ilay trano lehibe intsony ireo jiolahy raha vao nahazo ireo zavatra voatanisa ery ambony. Taorian’izany, niezaka namaha ny fatorany ilay mpiambina. Efa elaela ihany vao afaka izany, hoy hatrany ny vaovao. Rehefa izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ny anao lahy. Araka izany, tamin’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana, efa tsy tratra intsony ireo mpangalatra.

Tato anatin’ny volana iray izao, nisy vaovao voaray mialza fa andian-jiolahy tena hafa mihitsy ireo nanafika teny Andraharo ireo. Tapa-bolana lasa izay, voalaza fa jiolahy fito no nanafika teny Ankadifotsy. Mitovy hatrany ny fomba fidiran’izy ireo ny toerana horobainy. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici