- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Maty ilay mpitondra taxi

Andraharo : Maty ilay mpitondra taxi

Omaly maraina be no fantatra fa namoy ny ainy ilay mpitondra taxi, niharan’ny lozam- pifamoivoizana teny Andraharo ny alahady hariva teo. Raha tsiahivina ny zavatra niseho dia toy izao. Niharan-doza ity fiara ity raha nikasa handeha hody ny mpamily. Voalaza fa niala lavaka anefa izy ary nidofotra tamina andrin-jiro iray. Naratra teo amin’ny lohany izy ary tsy maintsy nentina tany amin’ny hôpitaly. Natao ny alanenina fa tsy nahitam-bokany. Fantatra tamin’ny taratasy hita tao anaty fiara ny adiresy nisy ny toerana nonenany ary avy amin’izany no nahalalana ny fianakaviany. Omaly ihany dia efa nalain’ny havany ny razana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser