- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndraharo : May ny trano fitehirizana entan’ny orinasa Sicoma

Andraharo : May ny trano fitehirizana entan’ny orinasa Sicoma

Niredareda ny afo tetsy amin’ny Galaxy Andraharo ny alahady alina lasa teo. Efitrano maromaro, fitehirizana entan’ny orinasa Sicoma no may kila forehitra tao amin’ity toerana ity. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no nanomboka nirehitra ny afo, araka ny vaovao voaray. May kila, tsy nisy azo noraisina avokoa ny entana rehetra tao amin’ireto efitrano ireto. Noho ireo akora simika maromaro tamin’ireo efitrano mantsy dia somary nanano sarotra ihany ny famonoana izany, araka ny fantatra hatrany. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo aza no nisy naheno zavatra nipoaka mafy tao anatin’ny firehetana. Neritreretin’ny maro hoe ireo akora mora mirehitra natoby tao anatin’ireo efitrano ireo no nipoaka. Taorian’izay no notapahana ny herinaratra teny an-toerana. Mpamonjy voina am-polony no tonga teny an-toerana, niaraka tamin’ireo fiarabe maromaro, niezaka nifehy ny afo tsy hitatra intsony amin’ireo efitrano hafa tao an-toerana. Maty tanteraka ny afo, ora maromaro taty aoriana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra raha ny fanazavàna hatrany. Tombanana any amina miliara any kosa ny tetibidin’ny fahavoazana. Efa nanokatra ny fanadihadiana kosa tetsy an-danin’izay ireo mpitandro filaminana mahakasika ity doro trano ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici