Nihosin-drà indray ny arabe, omaly teny amin’iny faritra Andraharo iny. Môtô « scooter » iray no nodomina fiara « Mazda » manoloana ny toby fivarotan-tsolika iray teny an-toerana. Mafy ny fifandonana ary avy hatrany dia nipitika mihitsy ilay lehilahy nitondra ilay môtô. Taraiky tao ambanin’ity fiara nandona azy kosa ilay môtô izay potika tanteraka. Araka ny fantatra dia mbola miady amin’ny fahafatesana ity mpitondra môtô ity hatramin’ny ora nanoratanay.
Omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo ho eo no nitranga ity loza ity. Matetika tokoa dia saika ireo mpitondra môtô foana no voalaza ho manao ny tsy mety eny an-dalana, ary misy fahamarinana ihany io indraindray. Saingy misy ihany koa anefa ireo mpitondra fiara mihitsy no mila vaniny sy manao fanahy iniana tsy mirahara ireo mpitondra kodiaran-droa indraindray. Tamin’ity loza iray ity dia voalazan’ireo nanatri-maso nandeha mafy ity fiara « mazda » ity, izay handeha hihazo an’Ambohimanarina iny. Ilay môtô kosa dia avy nifanena taminy. Tsy niraharaha izany anefa ny mpamilin’ilay fiara, raha sendra lavaka avy hatrany dia niala azy io. Mazava ho azy fa voatery nangalatra lavitra tany amin’ny lalan’ilay kodiaran-droa. Tetsy andanin’izay koa tsy tafajanona ilay môtô ka dia io tsy tana io intsony ny fifandonana. Nezahina nentina novonjena haingana tany amin’iny hôpitaly moa ilay niharam-boina. Tsy nisy naninona kosa ireo olona tao anatin’ilay fiara nandona, izay nahitàna fahasimbana ihany koa ny lohany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo pôlisy misahana ny faritra iny, ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana.
m.L