Tovolahy manodidina ny 20 taona mahery kely, nanao fitafihana mihaja no tra-tehaka nangarom-paosy tao anaty taxibe, omaly antoandro, tetsy Andraharo, ka saika matin’ny hatezeram-bahoaka. Niditra toy ny mpandeha bus rehetra tao an-tsenan’ Ambohimanarina ity tovolahy ity, hoy ny reseveran’ilay fiara fitateram-bahoaka. Nipetraka teo akaikina ramatoa iray nitondra paoketra izy sady nisisika. Rehefa variana io renim-pianakaviana io, dia nosokafan’ ilay tontakely moramora ny paoketran-dramatoa nakany ny finday avo lenta tao. Ohatra ny tratran’ny fandraikiraikena izany ny niharam-boina, izay tsy nanampo na inona na inona, raha ny fanazavany. Rangahibe iray nipetraka nifanila tamin’ny niharam-boina no nahatsikaritra ny asa ratsy ka nihoraka avy hatrany “mpangarom-paosy” no sady nanondro an’ilay tovolahy, ka taitra ny mpandeha rehetra.
Nihosin-drà. Nitsangana ilay tovolahy sady mody fanina nilaza hoe: “misy miala”. Teo vao taitra ilay ramatoa voaroba no sady nikiakiaka mafy fa very telefaonina. Nobahanan’ny mpamily mpanampy ny varavarana fivoahana ary nosavana ilay tovolahy ka tratra teny aminy ny findain’olona. Tezitra noho izany ireo mpandeha ka nisintosintona azy, nisy no nidaroka avy hatrany. Nijanona mihitsy ilay fiara fitateram-bahoaka, ary raikitra ny vono ka rapa tarehy nivonto maso sy nandeha rà an-korona ilay mpangarom-paosy vao navelan’ny olona. Akanjo rovitra sady kotsan-drà no nentin’ ilay tovolahy nandeha nitsoaka, ary horakoraka tsy nisy ohatr’ izany. Naverina tamin’ny tompony kosa ilay finday. Raha ny fanazavana azo tamin’ny olona nahafantatra an’ity tovolahy ity; izay nanatri-maso, dia efa nigadra noho ny resaka sinto-mahery sy asa fanendahana ny tenany ka izao mbola tsy fay namerin-keloka izao hatrany, ary sendra ny nahay azy.
Eric Manitrisa