- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Mpivaro-boanjo niampita arabe maty nodomin’ny taxi-be

Andraharo : Mpivaro-boanjo niampita arabe maty nodomin’ny taxi-be

Maty tsy tra-drano ity mpivaro-boanjo niampita ny arabe ka voafaokan’ny taxi-be teny Andraharo, teo amin’ny Galaxy omaly maraina. Araka ny vaoavao voaray teny an-toerana, nifanenjika ireto taxi-be roa mampiasa iny lalana ka raha teo am-pisongonana ny iray ilay taxi-be no nipoitra tampoka ilay mpivaro-boanjo ka voadona. Nipitika mihitsy izy io, ary noho ny hamafin’ny fahavoazany no nitarika ny fahafatesany. Tafajanona kosa ilay taxi-be. « Nahita ireo taxi-be nifanenjika mihitsy izahay. Malalaka ny lalana ny maraina, vitsivitsy ny mpandeha ka nifanenjika avy any ireto fiara roa. Somary be olona vao maraina amin’ireo mpiasa eny an-toerana eto amin’ny Galaxy, ka anisan’ny be mpivarotra mandehandeha. Tsy hitan’ny mpamily akory ny nivoahan’ilay mpivaro-boanjo ka voadoana avy hatrany », hoy ny ny fitantaran’ny olona nahita ny loza. Ny olona sasany izay nanamafy fa maro amin’ireo fiara mpitatitra eny amin’ny lalana Andraharo iny no mandeha mafy. Tsara ny lalana, malalaka ka mahatonga ny fiara mandeha mafy. Loza anefa no aterany. Ny mpamily tsy mitandrina, ary efa izay hatrany no averin’ny tompon’andraikitra matetika ho antony mahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisim-pirenena nizaha ity loza ity. Notanana ny mpamily nanaovana famotorana. Nalefa eny amin’ny hopitaly kosa ny razana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici