Namoa-tsampona indray ny fifamoivoizana an-drenivohitra. Renim-pianakaviana iray indray no niharan-doza voadonan’ny fiara tsy mataho-dàlana iray, teny Andraharo, ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza, dia nirava avy niasa izy no izao niharan-doza izao. « Avy niasa izy, nandeha niampita handray « taxi-be » hodiana izy no izao voadonan’ny 4×4 izao. Tsy hitany ny loza hahazo azy fa be loatra koa ireo fiara nifamezivezy » hoy kosa ny mpiara-miasa aminy. Voalaza fa tsy nitazam-potsiny ny tompon’ilay 4×4, fa nandray an-tànana avy hatrany ity niharam-boina ka nitondra azy teny amin’ny HJRA. Voa mafy tanteraka ny lohany, ny valahany sy ny tongony. Saingy noho ny fahaverezan-drà be loatra taminy, dia tsy tàna intsony ny ainy omaly maraina. Namela kamboty telo ity renim-pianakaviana ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mbola nandray ny andraikiny hatrany ilay tompona 4×4 hatramin’ny fanitrihana ny razana eny amin’ny fasany Anjomakely, Manjakandriana.
Niony H.