- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Roalahy nangalatra “chèque”, tratra nampiasa izany

Andraharo : Roalahy nangalatra “chèque”, tratra nampiasa izany

Olona roa no fantatra fa nosamborin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny faritry ny CENAM. Voampanga izy ireo fa nangalatra “chèque” tao amin’ny orinasa iray ary nampiasa izany. Lehilahy lehibe iray eo amin’ny 61 taona eo sy mpiasa ao amin’ilay orinasa nitaraina fa very “chèque” ireto tratra ireto. Naharay fitarainana ny avy ao amin’ny polisin’ny boriborintany faha-6 Ambohimanarina fa nisy “chèque” very tao amin’ny orinasa sinoa ASAM Andraharo tamin’ny faha-22 desambra lasa teo. Miisa telo ireo taratasim-bola ireo BNI 02 sy BFV 01. Ny faha 26 desambra tamin’ny 11 ora sy sasany, nantsoin’ny BNI CENAM ny tompon’ny “chèque” very fa misy mampiasa ao aminy ireo zavatra very ireo. Nilazana ny polisy ary nandeha teny an-toerana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mbola tratra tao amin’io banky io ny lehilahy antsoina hoe Rado Asy, 61 toana, monina eny Bemasoandro Itaosy. Izy no voalaza fa nampaisa ilay “chèque”. Rehefa voasambotra izy ka nofotorana dia nilaza fa izany Ravosoa izany, mpiasa amin’ilay orinasa ASAM no nanome azy ireo “chèque”. Maro ny zavatra nolazainy tamin’ny fanadihadiana indrindra ny hafetsifetsena nampiasany hamadihana ireo taratasim-bola ireo. Tratra ihany anefa izy ny faha-26 desambra. Io andro io ihany, nosamborina teny amin’ny toeram-pisany koa ilay antsoina hoe Ravosoa voatondro fa nangalatra ny “chèque” tao amin’ilay orinasa. Mbola hita tany aminy ny taratsy iray nisy lelavola 22 175 000 A. Fantra fa nampiasa karapanondro sy “facture” sandoka ireto olona ireto. Vola 20 000 000 Ar no saika halainy tamin’ny halatra nataony. Ny vaovoa hatrany no nahafantarana fa efa nigadra momba ny resaka fisolokina ity lehilahy lehibe ity.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy roa lahy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser