Vola aman’hetsiny maromaro no lasan’ireo olon-dratsy niaraka tamina fitaovana sarobidy sy ny entan’ireo mpandeha rehetra, alakamisy lasa teo, tetsy Andraharo.
Efa mampiteny ny moana mihitsy ny tsy fandriampahalemana eto amintsika … Izay sisa no hany azon’ity tompona fiara mpitatitra notenenina, raha nitantara ny zavatra nanjo ny fiarany sy ireo mpandeha tao anatiny afak’omaly alina tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any. Taxibe iray mampitohy an’Analakely sy Ambohijanahary no lasibatry ny asan-jiolahy tamin’io fotoana io, raha iny izy nitondra olona handeha hody iny, teo Andraharo. Raha ny zava-nitranga : telo lahy izy ireo no tao anaty fiara, toy ireny mpandeha rehetra ireny. Nony tonga teo akaikina toby fivarotan-dasantsy iray teny an-toerana izy ireo no nilaza ny hiala. Nijanona araka izany ny fiara. Raha vao nijanona anefa, dia namoaka basy tany am-balahany avy izy ireo ary nandrahona avy hatrany ny mpanampin’ny mpamily taoriana. Ny iray kosa nanatona avy hatrany ny mpamily sy nanambana basy azy teo amin’ny lohany. Ny vola tany amin’izy ireo avy hatrany no notakian’ireto olon-dratsy ireto. Tsy vitan’izay anefa, fa ny iray tamin’izy ireo dia nanendaka ireo mpandeha rehetra tao anatin’izany taxibe izany, izay efa somary vitsivitsy ihany moa noho ny andro efa madiva ho alina. Lasa avokoa teo na ny vola na ny sakaosy, pôketra ary finday maromaro. Vao azon’ireo olon-dratsy izay notadiavina dia lasa izy ireo nitsoaka nihazo elakelan-trano maromaro teny an-toerana. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L