- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAndraikiba : Fatim-behivavy roa natsingevan’ny rano

Andraikiba : Fatim-behivavy roa natsingevan’ny rano

Fatim-behivavy roa  no indray hita tao amin’ny farihin’Andraikiba Antsirabe ny alahady lasa teo.

Natsingevan’ny rano izy roa ireto,  mpanjono ao amin’io farihy io no nahita ny razana ka nampandre ny tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany. Rehefa nampakarina  ny razana dia hita fa nifatotra tamin’ny akanjo izy roa ireto ary misy  mivanditra kely teo amin’ny tendan’ny iray, raha ny fanazavana nomen’ny olona teny an-toerana nahita ny zava-nisy. Tsy fantatra mazava noho izany na nisy namono na namono tena izy roa kely ireto, tsy misy rahateo ny porofo mivaingana  afaka manamarina ny tena zava-nitranga hatreto. Efa somary simba ihany koa mantsy ny razana raha  ny filazan’ny olona hatrany. Hita fa misy itovizana ny endrik’izy roa maty ireto ka tombanan’ny olona ho mpihavana akaiky mihitsy. Voalaza fa tsy olona avy eny amin’ny manodidina koa izy ireto fa saika efa nijery ny razana avokoa ny teo amin’ny fokontany sy ny manodidina saingy tsy nisy nahafantatra azy.Teny an-toerana ny BMH sy ny polisy nanao fizahana ny razana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser