- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndraikiba : Roa lahy mpikamban’ny STK Ifarihy-Tanjombato maty tao

Andraikiba : Roa lahy mpikamban’ny STK Ifarihy-Tanjombato maty tao

Mamatsy rano an’Antsirabe ny ranon’Andraikiba (sary nindramina)

Roa lahy mpikambana avy amin’ny STK Ifarihy Ankaraobato no maty tao amin’ny farihin’Andraikiba omaly alatsinainy. Avy nanatrika  fitokanana ny fiangonana FJKM Fitiavana Parc de l’Est teto Antsirabe izy ireo, niaraka tamin’ny antoko mpihira misy azy, ny sabotsy lasa teo, izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Nitsangatsangana tao Andraikiba niaraka tamin’ny namany maromaro izy roa lahy ireo, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany. Naka sary teo ambonin’ny vato ny iray no latsaka tampoka tao anaty rano, taitra ny namany raha nahita azy ka avy hatrany dia nitsoraka hamonjy. Indrisy anefa fa samy nilentika tsy nipoitra intsony izy roa lahy ireo. Tampoka ny fisehon’izany ka na dia niezaka namonjy azy aza ireo mpahay rano nahatazana azy lavidavitra dia tsy tana intsony ny ainy. Vetivety ihany dia hita ilay faharoa nikasa hamonjy, saingy tsy avotra intsony na dia nanao izay ho afany aza ny mpitsabo tao Andraikiba. Naharitra ora maro kosa  vao hita ny iray, satria raha tokony ho tamin’ny 11 ora no nitrangan’ny loza dia tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any vao hita ny razana. Toerana isan’ny mahasarika olona indrindra eto Antsirabe ny farihin’Andraikiba, indrindra amin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra sy andro mafana izao. Tokony ho mailo sy hitandrina hatrany ny rehetra indrindra ny vahiny fa ny loza tsy mampilaza.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici