- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndraikiba : Vehivavy iray maty an-drano

Andraikiba : Vehivavy iray maty an-drano

Renim-pianakaviana iray, tokony ho 50 taona eo, no hita faty  tao amin’ny farihin’Andraikiba, omaly vao maraina. Voalaza fa ireo mpihazakazaka maraina no nahita ilay razana nitsingevan’ny rano eto amin’ny sisin’ny farihy. Niantso ny manampahefana ireo  olona nahita ity fatim-behivavy ity ka tonga teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera nanao ny fizahana. Raha ny fanamarihana voalohan’ireo nizaha ny razana dia maty an-drano izy, saingy mbola tsy fantatra ny fomba nahatongavany teny an-toerana. Mbola teny an-kodiny avokoa ny fitafiany rehetra. Ny olona tany an-toerana nanambara fa tsy tompon-tany izy io, saingy efa tazana mpihazakaza eny an-toerana kosa. Nisy nahatsikaritra teny amin’ny manodidina izy ny asabotsy hariva. Teo no nahitana azy farany ka izao ny omaly maraina izao no hita faty tao anaty rano. Misokatra ny fanadihadiana ary efa naterina tany amin’ny tranom-paty ny razana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici