Tsy lavitra ny toerana nahitana fatim-behivavy sy tovolahy voatsatoka antsy, poketra noheverina fa baomba
Nisahotaka ny mponina teny amin’ny manodidina an’Andrainarivo, omaly tolakandro. Fotony, nisy olona nahita poketra iray miloko mainty nisy nanary teny amin’ny sisin-dalana. Ka izay nahita dia nihevitra fa misy antony izany ary nandika ilay zavatra avy hatrany fa baomba io. Nisavoritaka ny rehetra. Nampiantso ny mpitandro filaminana ry zareo fa tsy nisy sahy nikitika ialy zavatra. Tsy niandry ela dia tonga ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Natao ny fomba rehetra amin’ny fahitana baomba. Nanakaiky ilay zavatra ny manampahaizana. Nosokafana ilay poketra ary dia samy nitokelaka nihomehy izay rehetra teo fa hay tsy baomba ilay izy fa antontan-taratasy sy lambalamba kely no tao anatiny.
Tena mahavariana ny fandehan-javatra amin’izao fotoana izao. Paoketra nisy nanary ve dia azo lazaina ho baomba? Efa tena sahiran-tsaina tokoa ny olona ka na dia zavatra tsy dia misy inona akory aza dia misahotaka. Eny amin’ny faritra nahitana ilay zavatra, tsy omena tsiny ny mponina, satria vao tsy ela akory no nahitana fatim-behivavy nisy namono teny ary nolazaina fa mpamosavy izy io. Herinandro roa taty aoriana, nisy tovolahy iray voatsatoka antsy rehefa avy nendahina. Dia izao indray nisy ilay paoketra mainty nampiahiahy.
r.s.