- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAndrainarivo : Tovolahy sady voaendaka no voadidy antsy teo amin’ny tendany

Andrainarivo : Tovolahy sady voaendaka no voadidy antsy teo amin’ny tendany

Lasa faritra anjakan’ny mpandendaka amin’izao fotoana izao eny an-toerana, izay vao nahitana fatin’olona tamin’ny herinandro. Ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’y 8 ora, tovolahy iray hamonjy fodiana no sendra mpanendaaka maromaro teny Andrainarivo. Vokany, lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny zavatra tany aminy : vola, finday. Rehefa azon’ireo olon-dratsy izany dia mbola nodidian-dry zalahy tamin’ny antsy koa ny tendan’ilay olona. Ny loharanom-baovao no nahalalana  fa efa narahan’ireo jiolahy ity tovolahy ity. Rehefa tonga tamin’ny toerana somary mangina dia nendahany tamin’izay. Sendra ny be noho ny vitsy ka tsy afaka nanahitra mihitsy izy. Fa ny tena nahagaga dia ny tendany nodidian’ireo mpanendaka na dia efa lasany aza ny fananany. Soa ihany, hoy ny vaovao, fa nisy nahita ihany ity zavatra ity ka tonga dia lasa nandositra ireo olon-dratsy. Soa ihany fa tsy dia mbola lasa lalina loatra ny antsy ka afaka namonjy soa aman-tsara ny tranony izay tsy dia lavitra intsony ilay tovolahy. Nitantara ny zavatra nahazo azy izy. Nentina haingana notsaboina tany amin’ny hopitaly. Tsy dia lavitra loatra ny toerana nahitana ny fatin’ilay vehivavy lehibe voalaza fa hoe mpamosavy no nisehoan’ity fanendahana ity.

B

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser