- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Enin-dahy mpamaky trano sy mpanolana, voasambotry ny polisy

Andraisoro : Enin-dahy mpamaky trano sy mpanolana, voasambotry ny polisy

Ny alarobia lasa teo, andian-jatovo ikoizana amin’ny resaka halatra miharo herisetra no voasambotry ny pôlisy tetsy Andraisoro. Tovovavy mpianatra iray no lasibatra teny an-toerana, izay sady niharan’ny vaky trano no mbola saika niharan’ny herisetra ara-nofo tamin’ireto andian’olon-dratsy ireto ihany. Anisan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ihany koa raha iny Andraisoro iny. Tsy mikely soroka mihitsy anefa ny pôlisy misahana izany faritra izany, ny avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro, miezaka hatrany mametraka ny filaminana ary misoroka sy misambotra ireo tontakely mpanakorontana. Ny andron’ny alarobia teo dia andian-jatovo, izay efa fantatry ny rehetra sy ikoizana tanteraka amin’ny resaka halatra miharo herisetra no ravan’ny pôlisy. Miisa enin-dahy izy ireo, izay vao 18 taona monja ny zandriny indrindra ary 24 taona ny zokiny indrindra. Marihina fa talohan’ny nahasamborana azy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia nisy trangana vaky trano sy saika niharo fanolanana teny an-toerana. Tokantranon’ny mpianatra vehivavy iray no lasibatra tamin’io fotoana io, raha ny vaovao azo. “Saika hanao ny filan-dratsiny tamin’ny mpianatra iray 19 taona teny amin’iny faritra iny rehefa namaky ny trano fonenany”, hoy ny vaovao azo. Vantany vao nahare izany ny pôlisy teny an-toerana dia niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza. Tsy niandry ela akory ny fisamborana satria toa efa fantampantatr’ireo mpitandro filaminana ny tao ambadik’izany. Tovolahy iray no voalaza fa tompon’antoka tamin’io tranga io ary tsy aiza fa eny amin’iny faritra Andraisoro iny ihany ingahirainy no miafina. Izy rahateo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia “efa tsy zoviana amin’ny maro sy eny amin’ny manodidina amin’ny resaka halatra miharo herisetra ary harom-paosy eny amin’iny faritra iny”. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy ity farany ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Nandritra ny fanadihadiana ihany koa moa no nahafahana nisambotra ireo mpiray tsikombakomba sy namany, mpiara-manao ny asa ratsiny, raha ny vaovao hatrany. Dimy lahy izy ireo, araka ny loharanom-baovao azo no voasambotra teny amin’iny faritra Tsarahonenana iny. Heverina araka izany fa mba hilamindamina indray aloha izany faritra Andraisoro izany, taorian’ny fandravana ireto andian-jiolahy ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici