Olona mamo no nosamborina tao an-tokantranony. Izany dia vokatry ny fitorian’ny vadiny azy tany amin’ny polisy misahana ny boriborin-tany, momba ny fidaroham-badiny azy, tao an-tokantranony ao Andraisoro. Tamin’io fihaonan’ilay ramatoa io tamin’ny polisy koa no nampitainy ny ahiahiny momba ny asa izay hafahafa ataom-badiny. Natao tokoa ny fidinana tany an-toerana ary ankoatra ny hamamoan-drangahy dia nahitàna fitombokase karazany maro tao an-tokantranony. Rehefa nojerena akaiky dia mahakasika asam-panjakana ambony ny ankamaroany ary efa nisy nampiasaina aza tamin’ireo satria namela marika. Teo no ho eo ihany dia nosamborina ilay rangahy sy ny namany iray izay niara-mamo taminy tao amin’ilay tokantrano. Voatazona ho mpiray tsikombakomba aminy amin’ny fanamboarana na fampiasàna ireo fitombokase hosoka ilay lehilahy. Nosokafan’ny polisy avy hatrany ny fanadihadiana ny amin’ireo fitaovana ireo, izany dia ankoatra izay mety ho fanenjehana ilay rangahy raim-pianakaviana tamin’ny vono sy daroka izay nataony tamim-badiny. Mahakasika ny fampiasàna fitombokase dia tena mora eto amintsika ny manao sandoka azy ireny. Na ny mpanao asa tànana, na ny mpampiasa teknolojia, dia samy mahavita izany avokoa. Izany matetika no tena mahatonga ny taratasy hosoka amin’ny asam-panjakana. Azo raisina ohatra akaiky ny firongatry ny ady tany izay ny tena fototra iaingany dia ny fampiasan’ny mpisoloky taratasy hosoka izay vitany ho mitovy tanteraka amin’ny tena izy izay mivoaka any amin’ny sampan-draharaham-panjakana ireny. Indraindray aza dia hatrany anatin’ny tahirin’atontan-taratasy ofisialy no mbola tongan’ny hosoka ihany. Mazava hoazy fa misy firaisana tsikombakomba amin’ny tambajotra matanjaka izany. Dia ireo rehetra ireo no mitambatra no lasa olana lehibe izay saro-bahana na miakatra fitsaràna aza.
D.R