Ankizilahy kely teo amin’ny efatra teo izay no sendra rangahy, misy volom-bava sy manao satroka bà, voalaza fa mpangala-jaza, raha ny fitantaran’ny renim-pianakaviana iray, nanan-janaka tsy hita ny talata hariva lasa teo, teny Andraisoro, saingy niverina tao an-trano omaly tamin’ny 9 ora maraina. Nilalao teo an-tokotany ity zanako ity, lahikely 11 taona, no sendra an’ilay rangahy. Nirahiny io zanako io hitady kininim-potsy ho azy, ary dia nahita. Nolazain’io rangahy io fa tsy izy anefa ilay nentin-janako, sady somary nokapohiny ny lohany. Nanomboka tamin’izay no tsy nahatsiaro tena ilay zaza fa nanaraka an’ilay rangahy fotsiny. Raha ny filazany dia nentiny tamina toerana iray mangingina, teny akaikin’ny Bibilava teny ho eny, ary nasainy nihani-kazo. Norahonany hotifirina amin’ny basy raha miantso vonjy ary dia nangina tokoa ilay ankizilahy kely. Somary variana anefa io rangahy io ka nanaraotra nitsoaka ilay zazalahy, raha ny fitantarany hatrany. Raha ny voalazan’io ramatoa io ihany, araka ny notantarain-janany, dia henony ity rangahy ity niresaka taman’olona an-tariby, nilaza fa vonona ny entana ary miandry izy sisa. Nisy ihany koa tranga toa izany, araka ny fitantaran’io ramatoa io hatrany, tamin’iny volana ambony lasa iny. Entiny any amin’iny Bibilava iny foana ireo ankizilahy, manodidina ny 9 ka hatramin’ny 14 taona eo. Somary norohany indray ny tendan’ny sasany, avy eo manaraka izay teneniny ireo ankizy. Ilay iray vao haingana izay, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity, dia nojereny ny mahalehilahy azy. Tsy mety, hono, ary nasainy nandeha ilay zazalahy kely. Ity ankizilahy kely tafatsoaka ity, araka ny fantatra hatrany, dia somary very saina kely nony tonga tao an-tranony ary tsy niverina raha tsy nampandroana sy nasaina naka aina. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy, ka mila mailo hatrany ireo ray aman-dreny eo anatrehan’ny toe-javatra tahaka izao.
m.L