- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Lakozia telo novakian’ny mpangalatra

Andraisoro : Lakozia telo novakian’ny mpangalatra

Tamin’ny valandresaka nataon’ny avy ao amin’ny « Sécurité Urbaine de Tananarive » (SUT) Tsaralalana notarihan’ny « commissaire principal de police » Razafimanantenasoa Herivelo Ralaimong no nahafantarana fa mpamaky trano maromaro no tratra teny Andraisoro ny zoma lasa teo. Nanao fisafoana teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nisy roalahy nitondra entana nampiahiahy. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tamin’izay. Nosavaina izy ireo ka hita teny amin’ny kojakojan-dakozia sy tavoahangy marobe tany fitoerany. Rehefa natoa ny fanadihadiana dia fantatra fa avy namaky lakozia miisa telo ry zalahy ireo. Nisy namany roa hafa nosamborina avy eo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser