Lehilahy iray no saron’ny pôlisin’ny boriborintany fahatelo, teny amin’iny faritra Andraisoro iny. Araka ny fantatra dia izy no mpivarotra sy mpamatsy rongony eny amin’iny faritra iny. Mbola nahitana rongony tanaty fonosana niisa 165 ihany tany an-tranony tamin’ny fisavàna natao teny an-toerana. Hentitra ny tenin’ny kaomisera Razafindrazaka Hector, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity kaomisarin’ny boriborintany fahatelo ity fa tsy maintsy miroso amin’ny fanadiovana ny tanàna izy ireo, mba hisian’ny fandriampahelamana. Tsiahivina tokoa, fa vao tsy ela akory izay no nisiana vehivavy hita faty sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teny amin’iny faritra iny. Ary teo amin’ilay toerana nahatratrarana an’ity lehilahy ity mihitsy no nahitana io razana io. Raha ny fanazavàna azo mantsy dia isan’ny toerana malaza fifohan’olona rongony ilay toerana. Ary ity lehilahy ity dia efa malaza loatra eny an-toerana amin’ny fivarotana rongony. Noho izay indrindra no nirosoan’ny pôlisy tamin’ny fisamborana azy. Mbola hitohy izay fanadiovana ny tanàna amin’ireo tontakely sy ny olon-dratsy izay, hoy ity tompon’andraikitra ity. Eo anatrehan’izay indrindra miantso ireo mponina ny mpitandro filaminana mba tsy hisalasala ny hampilaza ireto farany ny amin’ny fisiana tranga na olona mampiahiahy eny amin’ny fokontany misy azy ireo tsirairay avy.
m.L