Fantatry ny olona izay monina eny Andraisoro izy satria mpiambina ny tilikambo iray eo an-toerana ny tena asany. Manam-bady ary manan-janaka ity lehilahy 50 taona. Fantatra ihany koa fa tsy dia salama saina loatra izy saingy ny olona dia tsy nametraka olana tamin’ny fifandraisana taminy noho izany antony izay. Manao an’androny rahateo ny fihetsehan’ilay aretina mitaiza azy. Rehefa mitranga izany dia manao fihetsika tsy voahevitra izy, raha araka ny fanazavan’ny olona izay nilaza fa mahafantatra ny momba azy. Tsy dia nahataitra ny olona intsony arak’izany rehefa mihetsika ny aretina izay miantraika amin’ny fihetsik’ilay rangahy. Saingy tamin’ity indray mitoraka dia niara-nikoropaka izay nahita satria notapahin’ilay rangahy tamin’ny antsy ny…filahiany. Nifamonjena ary nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly Hjra. Tao indray, rehefa nandalo tao amin’ny sampana fameloman’aina dia nampidirina avy hatrany tao amin’ny efitrano fandidiana. Ny vadiny izay tsy nahafantatra ny zava-nitranga raha tsy tany amin’ny hopitaly dia talanjona tanteraka no sady nentim-po. Nanapa-kevitra izy ny nody avy hatrany noho ny hatezerana ary ilay rangahy irery no niady mafy tao amin’ny hopitaly. Raha ny fitantaran’izay naharaka ny raharaha dia nitaraina ilay ramatoa satria tsy misy antenaina intsony amin-drangahy vadiny. Asa na ara-nofo no tiany hambara na koa amin’ny lafin-javatra hafa. Tsy dia matetika saingy efa nisy ny trangam-piaraha-monina mitovy amin’izao. Ny voalohany, tany Beforona-Moramanga, tokony ho tany amin’ny taona 1994 tany, dia noborian-dramatoa tamin’ny antsim-bilona ny filahiam-badiny noho ny hasarotam-piaro. Avotra soa aman-tsara ihany ilay rangahy saingy tapitra nanomboka teo ny fiainana ara-nofony. Ny faharoa sy fahatelo indray dia tany Ivato sy tany Toliara. Ny mampitovy ireo tranga farany ireo dia samy nilaza ny nentin-javatra ireo lehilahy roa samihafa ka niafara tamin’ny fihetsika izay saika niafara tamin’ny fahafatesana. Dia mbola tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ilay nitranga tetsy Andraisoro ary mbola tsaboina rahateo ilay raim-pianakaviana izay niharan’izany. Tsy namono tena velively izy fa kosa fihetsika tsy voahevitra no nilazàna izay nanjo azy, noho ny aretina hafahafa izay mitaiza azy.
D.R