- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Novonoiny tamin’ny antsy ny zandriny niara-nanao « réveillon » taminy

Andraisoro : Novonoiny tamin’ny antsy ny zandriny niara-nanao « réveillon » taminy

Niara-nifety ny faran’ny taona izy mirahalahy, tetsy Andraisoro. Hafakely ny fomba nentin’izy ireo nanatontosa an’izany satria navoaka avokoa ny raki-tsary rehetra an’ny fianakaviana ary niara-nojerena. Isan’ny namerina vetsovetso ho azy mirahalahy ny fisian’ny zokiny iray tampo amin’izy ireo efa nodimandry. Teo indrindra ny olana no nitranga. « Nirotsaka ny alahelo sy ny vetsevetsom-po » raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka bevava izay nanokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Rehefa izany ary, heverina koa fa nihoatra ny toaka lany, dia tonga tany amin’ny fifamaliana. Nilaza ilay zokiny (izay namono) fa mihatsara ivelan’ny tsihy fotsiny ny zandriny, izay latsaka hatramin’ny ranomasony raha nahita ny raki-tsary. Tsy nijanona teo amin’ny fifamaliana ny vokatr’izany : noraisin’itsy voalohany ny antsy ary notsindrominy ny zandriny. Tsatoka antsy in’efatra izay niteraka ny fahafatesan’ilay lehilahy. Ny fijerena ifotony ny razana nataon’ny BC tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra no nahafahan’izy ireo nitatitra fa telo ny tsatoka antsy hita teo amin’ny lamosin’ny maty ary nisy iray hafa ihany koa teo amin’ny tratrany. Mazava fa ny namono nahafaty no tanjon’ilay lehilahy zokiny. Ny ampitsonin’iny, izany hoe ny 1 janoary teo dia efa tao amin’ny « morgue » ny razana. Nisy nampandre ny pôlisy teo anivon’ny BC izay nanao ny fitsirihana ny razana. Teo ihany koa dia efa nosokafana ny fanadihadiana ary niafara tamin’ny famantarana ny olona noahiahiana, dia ilay zoky izany. Nosamborina tao an-tranony tao Andraisoro izy ny andron’iny ihany. Raha ny filazan’ny BC dia niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity. Niady tokoa izy mirahalahy ary nivoaka hatrany an-tokotany mihitsy aza. Tany no namonoany ho faty ny zandriny. Natolotra ny fampanoavana omaly ilay nahavita ny heloka bevava voalohany tamin’ity taona ity teto an-drenivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici