- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Olona valo voarohirohy amina vonoan’olona

Andraisoro : Olona valo voarohirohy amina vonoan’olona

MPAMONO-OLONAOlona valo no fantatra fa nosamborina mikasika ny fahafatesan’ny vehivavy iray teny Andraisoro, ny faha-22 aprily lasa teo. Ny marainan’io andro io no hita faty ny vehivavy iray antsoina hoe Voahirana. Tamin’ny fahitana ny razana no nahamarika ny mpitandro filaminana fa ratra maromaro tamin’ny tarehiny sy ny sandriny, nisy rà ny fitombenany ary efa tsy nisy akanjo intsony ny tapany ambany. Nandeha avy hatrany ny famotorana natoan’ny polisy. Taorian’izany no nisamborana ireo olona valo, vehivavy enina ary lehilahy roa. Izy ireo no voalaza fa niaraka taminy farany tamin’ny faha-21 aprily hariva. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser