- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Taxi-be tapaka « frein », nandona fiara roa sy tranon’olona

Andraisoro : Taxi-be tapaka « frein », nandona fiara roa sy tranon’olona

Olona iray naratra mafy, fiara telo no potika niaraka tamin’ny rindrin-tranon’olona. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny Andraisoro omaly. Taxi-be iray, zotra 147 no anton’izany rehetra izany, rehefa voalaza fa nilaozan’ny hisatra ity farany, kanefa dia fidinam-be ny lalana. Handeha hamonjy asa maraina ity taxi-be ity no sendran’io olana io, izany hoe, mbola tsy nitondra olona tao anatiny. Nikivalavala nidina fotsiny ilay Fiara-be. Toerana isan’ny be olona sy be fiara iny faritra iny, indrindra raha vao maraina izany. Manampy trotraka rahateo ny fahateren’ny lalana. Teo anatrehan’izany zavatra rehetra izany dia tsy hitan’ny mpamilin’ity taxi-be ity intsony izay natao ka hany heriny dia nanao izay hampijanona ny fiara tamin’ny alalan’ny fandomana zavatra. Fiara kely iray, taxi, niantsona tsy lavitra teo no voadona voalohany, ary nitsimbadika ambony ambany, taorian’izay dia niantefa teny amina fiara taxi-be iray zotra 141 ity farany rehefa namarana ny diany teny amina tranon’olona. Naratra mafy vokatr’izay loza izay ny mpamily ary nentina novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly. Nampandrenesina kosa tetsy andanin’izay ireo pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana izay tonga nanao ny fizahana ifotony sy ny fanadihadiana teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici