Tsy hita nanomboka ny alakamisy teo Razafindramanana Johnny Stéphane. 10 taona ity zazalahy ity ka ny alakamisy tokony ho tamin’ny 6 ora hariva izy no nanomboka tsy hita teny Andraisoro.
Araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena, mipetraka eny Antsahameva Andraisoro izy ary mianatra eny amin’ny sekoly manodidina eny ihany. « Avy nianatra ary efa tonga tao an-trano izy no nivoaka hamonjy ny ray aman-dreniny any am-pivarotana izay tsy lavitra ilay trano fonenana. Tsy tonga tany an-tsena anefa ilay zaza raha niandry azy ireto Ray aman-dreniny. Tsy hita ny misy azy hatreto », hoy ny fanazavana. Nokarohina tamin’izany mety toerana nalehany io alakamisy hariva io, tsy hita, ary mbola nitohy ny zoma ny fikarohana azy saingy tsy nahitam-bokany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fianakaviany manoloana izany.
« Iangaviana isika izay mahita azy mba hampandre na hitondra azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra na koa hiantso ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona », hoy ireo fianakaviana.
Anisa’ny mahatonga ahiahy ho an’ny ray aman-dreny ny fisian’ny resaka hala-jaza izay indraindray tsy mitombina araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Nisy anefa ilay tranga tany Antsirabe izay toy ny manamafy fa tena misy ity resaka hala-jaza ity. Andrasana ny tohin’ny zava-nitanga tany Antsirabe ny alakamisy teo. Manaitra ny rehetra mba samy ho mailo sy hitaiza ny zanany tsara ny mpitandro filaminana.
Yv Sam