- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Tovovavy dimy tratra nanao « porno » sy nahatratrarana «...

Andraisoro : Tovovavy dimy tratra nanao « porno » sy nahatratrarana « cocaïne »

Teo « am-panaovana ny asany » mihitsy izy ireo no tra-tehaka. Niboridana toa kankana, teo am-piolakolahana sy teo am-pilalaovana irony kilalaon’olon-dehibe, hikarohana fahafinaretana irony, manoloana solosaina. Dimy vavy izy ireo no tra-tehaka tetsy Andraisoro, ny herinandro teo. Ny iray tamin’izy ireo no voalaza fa manakarama ireo ambiny. Ambonin’izay, dia mbola nahitàna rongony mahery vaika tao amin’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao dia niainga tamin’ny fampahafantarana nataon’olon-tsotra ny fisiana vehivavy mitarika ny namany hanao asa mamoafady ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana. Nandray an-tanana ny raharaha tamin’izany moa ny Sampan-draharahan’ny zandary mikaroka ny heloka bevava etsy Fiadanana. Fantatra tamin’ireo loharanom-baovao io fa eny Andraisoro ireto tovovavy ireto no manao izany asa ratsy ataony izany ka dia nidininana teny an-toerana. Tratra am-bodiomby, am-body solosaina  angamba raha ny marimarina kokoa izy rehetra. Izay mbola samy niboridana avokoa. Fitaovana maromaro, toy ny solosaina, fitaovana samihafa natao hifandraisana amin’ny alalan’ny aterineto, ary ankoatra izay dia mbola nahitàna rongony « cocaine » tao amin’izy ireo. Nambaran’ny fampitam-baovao mantsy fa mandray ity zavamahadomelina ity aloha izy ireo vao manao ilay asany. Tamin’ny famotorana no nahafantarana fa mandray any amin’ny telo hetsy ariary isan’andro any ilay tovovavy voalohany, ary manakarama ireo namany, enina alina ariary isan’andro, isanisany. Tato ho ato tokoa dia niha-nahazo vahana ity fanaovana « porno » amin’ny alalan’ny aterineto ity. Efa maromaro ihany ireo tovovavy no voasambotra, tsy teto an-drenivohitra ihany fa na hatrany amin’ny faritra aza. Mampiasa olona hanao asa mamoafady, fampivarotan-tena amin’ny alalan’ny aterineto dia voarara ary enjehina araka ny fehezan-dalana famaizana, and-334 sy 334 bis. Ankoatra izay dia raisina ho toy ny fanandevozan’olona ihany izany, hoy hatrany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ireo moa no anenjehana ireto tovovavy nanao « porno » tao an-tranony tetsy Andraisoro ireto, miampy ny fividianana, fandraisana rongony mahery vaika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici