- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Trano lehibe iray may kila forehitra

Andraisoro : Trano lehibe iray may kila forehitra

Saika mpanofa avokoa izy ireo no tao amin’io trano ary samy mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo. Tsy nisy noraisina ny entana rehetra, ny fitaovana, ny kahie sy ireo antontaratasy maro nilain’izy ireo ho amin’ny fianarany, vokatry ny hain-trano mahatsiravina nitranga tetsy Andraisoro Ambaniatsimo, ny andron’ny sabotsy lasa teo.

Nandravarava ny afo. Nijolofotra nanamainty ny lanitra, vao maraina ny setroka, narahina lelafo nijoalajoala. Ny sabotsy teo, trano lehibe iray misy rihana no kila hotohoto vokatry ny afo. Raha ny filazan’ireo manodidina dia tsy nisy olona tao amin’io toerana io ary efa ny afo nanakadanitra no nanaitra ireo mponina teny an-toerana. Avy hatrany dia nisalasala ny fokonolona niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonjena ny entana ary niezaka nifehy izany tamin’ny fitaovana teo am-pelan-tanan’izy ireo. Niasa mafy  ny seau sy ny zinga, mandrampahatonga ny mpamonjy voina, izay efa nampandrenesina malaky. Avy ao amin’ny rihana ambony no niantomboka ny afo ary nihitatra haingana nihazo ny tany ambany, nandevona ireo entana rehetra. Hatreto raha ny angom-baovao azo dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony niavian’izany loza izany. Vinavina ny hoe mety nisian’ny « court-circuit » tao amin’io efitra ambony io. Moa tetsy andanin’izay, tsy nisy olona tao an-toerana.

Na dia teo aza ny fahasarotana, tamin’ny famonoana ny afo dia fotoana vitsy monja ihany no nifehezan’ireo mpamonjy voina izany. Tsy nisy ny aina nafoy saingy ny fahasimban-javatra kosa no goavana. « Tsy nisy azo noraisina intsony » hoy ireo mpianatra miisa dimy mpanofa tao amin’io trano io. Tsy misy avy eo eto Antananarivo ireto ankizy ireto, izay tsy nanana afa-tsy tanam-polo sisa fa mpiavy avokoa ary mandranto fianarana eny amin’ny Oniversite. Nisy avy hatrany ny antso avo nataon’ireo fikambanan’ny mpianatra misy azy ireo tsirairay avy, tao anaty tambazotra sosialy, hanaovana voin-kava mahatratra azy ireo. Efa mandeha ihany koa moa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra mahakasika ity hain-trano ity.

Fa mbola resaka fahamaizana hatrany, ny alin’ny sabotsy teo, tamin’iny lalan’i Tsarasaotra iny, fiara iray no may kila forehitra ihany koa ary niantsoana haingana ireo mpamonjy voina. Voalaza fa tsy tazana teny an-toerana ny tompony tamin’ny fotoana nisehoan’ny  loza. Tsy fantatra rahateo ihany koa araka izany izay mety ho antony nahatonga izany. Vetivety dia tonga teny ny mpamonjy voina ary niezaka nifehy izany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tao anatin’izany, saingy karaokam-by sisa no navelan’ny afo, tamin’ilay fiara raitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici