- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Vehivavy hita faty, tapaka ny tanany roa, niboridana ny tapany...

Andraisoro : Vehivavy hita faty, tapaka ny tanany roa, niboridana ny tapany ambany

Feno habibiana tanteraka. Vehivavy iray manodidina ny 25 taona any ho any no hita faty tetsy Andraisoro  omaly. Azo saintsainina ho fampijaliana mihoapampana no nahazo azy talohan’ny nahafatesany. Notapahan’ireo tsy mataho-tody tarangana mihitsy mantsy ny tanany roa, ny havia sy havanana. Toy ireny notatahana sy nosintomina hihongotra ireny, manomboka eo amin’ny kihony, raha ny fahitàna ny razana. Ary ny nahagaga dia tsy tazana teny amin’ny manodidina izany tapaky ny tanany izany. Nahitana diana daroka ihany koa teo amin’ny lohany ary nivoaka rà ny vavany. Tsy vitan’izay fa efa niala ny kilaotiny ary niboridana tanteraka ny tapany ambany. Zara raha mitafy kosa ny ambony ary efa saika niala ny tati-nonony. Vinavinan’ireo mponina teny an-toerana avy hatrany ny hoe naolana dia novonoina, ary tamin’ny fomba feno habibiana mihitsy ity tovovavy ity. Ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana, kosa dia nilaza fa tsy nahitana ranonaina tao amin’ny fivaviany. Ireo mponina teny an-toerana no nahatsikaritra ny fisian’ity razana ity, ny maraina tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any. Teo ambody fasana,  toerana somary mangingina rahateo no nahitan’ny olona azy tamin’izay fotoana izay. Nitangorona ny olona nijery ary samy nahafantatra tsara avokoa ity tovovavy ity. Monina eny amin’iny faritra iny ihany izy, raha ny angom-baovao azo, ary miasa amina orinasa afakaba iray. Manambady aman-janaka izy. Ny talata hariva teo, niandry ny fahatongavany toy ny mahazatra ireo fianakaviany. Nandeha ny ora iray, ora roa,… tsy nipoitra ity renim-pianakaviana ity. Indrisy anefa fa dia zava-doza sy mahatsiravina toy izao no novantanin’izy ireo nony maraina ny andro, ka nahoraka teo an-tanàna ny fisiana razana miboridana eo ambody fasana, akaikina toerana fiantsonan’ny taxibe. Nampanantsoina avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra isanisany teny an-toerana nanao ny fizahana ny razana sy nanokatra ny fanadihadiana

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici