- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Zazalahy mpianatra lasan’ny rano

Andraisoro : Zazalahy mpianatra lasan’ny rano

Zaza iray, nirava avy nianatra no tsy hita popoka omaly tetsy Andraisoro. Araka ny voalaza dia lasan’ny rano, vokatr’iny ora-mikija omaly teto an-drenivohitra iny izy. Tokony ho tamin’ny telo ora tokalandro teo, raha iny avy nirava tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany Avaradoha iny izy no nitranga ny loza. Izany hoe tao anatin’ilay oram-be iny mihitsy. Tsy fantatra tsara izay zava-niseho fa ireo namany mpiara-mianatra aminy no nampilaza ny ray aman-dreniny fa nentin’ny rano ilay ankizilahy kely. Raha ny angom-baovao tetsy sy teroa dia toa hoe nianjera tampoka tanaty tatatra izy ary nentin’ny riaka avy eo. Nanomboka ny fikoropahana sy ny fiantsoana vonjy. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpamonjy voina nanampy ireo fokonolona tamin’ny fikarohana ity zazalahy ity vao 14 taona monja ity. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola tsy hita izany zaza izany, ary mbola manohy hatrany ny fikarohana ireo tompon’andraikitra rehetra. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici