- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndralanitra : Notokanana ny paositry ny polisy ao Manantenasoa

Andralanitra : Notokanana ny paositry ny polisy ao Manantenasoa

Ny 25 aogsitra 2017, tamin’ny 10 ora maraina lasa teo, no notokanana ny « Poste de Police Avancé” ny polisim-pirenena  eny  amin’ny Fokontany Manantenasoa  eny amin’ny Akamasoa  Andralanitra. Nanatanteraka izany teny an-toerana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena ny contrôleur général de Police Eric Michel Idrissa izay nisolo tena an’Andriamatoa minisitra. Navohitry ny tale jeneraly tamin’ny lahateny fohy nataony fa ny fametrahana ny filaminana dia andraikitry ny tsirairay ka tokony hisy ny fifanomezan-tanana. Anisan’izany ity fanokafana Poste de Police Avancé eny an-toerana ity noho ny fahamaroan’ny olona tonga tsy fanta-pototra sy ireo izay mifamezivezy eny. Izao fanokafana toeram-piasana  vaovao izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena ho fisorohana ny asan-jiolahy ary ho fanakaikezana kokoa ny vahoaka eny anivon’ny fokontany.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici