- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndralanitra : Vehivavy mpitsindroka fako voahitsaky ny kamiao, maty tsy tra-drano

Andralanitra : Vehivavy mpitsindroka fako voahitsaky ny kamiao, maty tsy tra-drano

Vehivavy iray mpitsindroka fako izay voalaza fa tafintohina teo anelanelan’ny kodiaran’ny fiaraben’ny SAMVA nanatitra sy nampidina fako teny Andralanitra, no maty tsy tra-drano rehefa voahitsak’ity fiarabe mpitondra fako ity, ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Nanoloana an’ity loza ity, dia nandray andraikitra avy hatrany ny SAMVA ary nanotrona ny fianakavian’ny maty tamin’ny fikarakarana ny razana, araka ny fampahafantarana nataon’ny « Service Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo » tao amin’ny pejy facebook-ny. Nanome toky ihany koa ny SAMVA fa hijery ny fomba rehetra tokony hatao mba tsy hiverenan’ny loza toy izao intsony amin’ny manaraka. Ny SAMVA dia miombon’alahelo amin’ny fianakaviana mana-manjo ary mankahery azy ireo amin’izao voina izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici