Maty vokatry ny fifandonana tamin’ny jiolahy ny zandary iray mitondra ny galona adjudant antsoina hoe Rafanomezananahary Jean Rolland, “chef de poste” tao amin’ny PA Alatsinainy Bakaro. Naratra mafy tamin’io fotoana io koa ny zandary kilasy voalohany Ralaiarimanana Ny Hasina niasa tao amin’ny PA Fitsinjovana Bakaro. Ny faha-27 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina, nisy andian-jiolahy nitondra basy, voalaza fa niisa hatrany amin’ny 20 tany no tonga nanafika ny tanàna iray antsoina hoe Befozakely, fokontany Ambohikely kaominina Anjoma Faliarivo any Andramasina. Taorian’ny fanafihana, niezaka niantso ny zandary avy ao amin’ny PA Alatsinainy Bakaro ny fokonolona. Nisy ampahany hafa ihany koa nampandre ireo zandary avy ao amin’ny PA Fitsinjovana Bakaro. Rehefa tonga tany an-toerana ireo mpitandro filaminana dia nisy ny fikarohana sy fanenjehana ireo mpandroba. Raikitra ny fifanjevoana tao anaty haizina ka tamin’izany no nahalavo ilay zandary iray sy naharatrana ny faharoa. Afaka nandositra avokoa ireo jiolahy hafa. Tsy nijanona tamin’izoa anefa ny fitadiavana ireo andian’olona ireo. Natao ny fanangonana ny vaovao rehetra ka tamin’izany no nahafantarana fa efa misy olona iray voasambotra tao Ambohimiadana, omaly maraina faha-28 septambra.
Raha mikasikany fanafihana indray, tonga ireo mpandroba marobe izay voalaza fa nizarazara nangalatra. Trano telo avy hatrany no indray nidiran’izy ireo. Tsy nisy sahy nanohitra ny mponina fa dia nanaraka izay nolazainy. Araka ny loharanom-baovao, mitentina hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary mahery ny vola lasa. Nentin’ireo mpangalatra koa ny entana tsaratsara rehetra azony nobataina. Rehefa nahazo izany izy ireo dia lasa nandeha. Taorian’izany vao afaka nampandre ireo mpitandro filaminana ny mponina. Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy fikarohana ireo andian-jiolahy ireo amin’izao fotoana izao.
Eo anoloanan’ny voina, mandray ny andraikiny ny fianakaviam-be ny zandary mikarakara ny razana sy ny fitsaboana ilay maratra.
Manamafy ny mpitanadro filaminana fa tsy miraviravy tànana manoloana ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana ary manao ny ainy tsy ho zavatra mba hiarovana ny olona sy ny fananany.
Nangonin’i r.s.