- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndramasina : Jiolahy roa, mpanakan-dalana sy mpanafika mpiantsena, voasambotry ny zandary

Andramasina : Jiolahy roa, mpanakan-dalana sy mpanafika mpiantsena, voasambotry ny zandary

Ireo fitaovam-piadiana tra-tehaka teny amin’ireto jiolahy ireto.

Ny iray, tamin’ireo olon-dratsy tratra ireto dia efa jiolahy ikoizana sy mpamerin-keloka. Efa nigadra sivy volana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana, roa taona lasa izay.

Ny talata teo, jiolahy roa raindahiny amin’ny resaka fanakanan-dalana, fanafihana mpiantsena ary fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimiadana, tao Andohanatsaramarasina, fokontany Tsarasarotra, kaominina Ambohimiadana, distrikan’Andramasina. Teo am-pikasàna hanao ny asa ratsiny mihitsy ry zalahy ireto no tra-tehaka ambodiomby, araka ny fampitam-baovao azo. Tafita ara-dalàna tany amin’ireo fokonolona tsinona ny fanentanana azy ireo ho amin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana, izay nahafahan’ireo zandary tonga haingana sy ara-potoana tany amin’io toerana voalaza etsy ambony, izay saika niharan’ny fanafihana mitam-piadiana nataon-dry zalahy ireto. Mbola tratra tany amin’izy ireo moa ny basy vita gasy miisa telo fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsy ataony miaraka amin’ny bala vita gasy miisa fito sy saron-tava iray. Mazava ho azy fa tsy nahatanteraka hatramin’ny farany ny zava-dratsy nokasain’izy ireo natao ireto farany. Tsy nisy araka izany ny naratra na ny aina nafoy na ihany koa ny fananana ravan’ireto andian-jiolahy ireo, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany.

Marihina fao anatin’ny hetsika fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra any amin’iny distrikan’Andramasina iny, izay ataon’ny eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, no nahazoana izao vokatra izao, hoy ny fanazavana azo hatrany. Mbola entanina hatrany araka izany ny  ireo olon-tsotra, na iharam-boina na tsia, mba hanome loharanom-baovao marim-pototra sy ara-potoana hahafahan’ny zandary eny an-tsehatra mandray andraikitra tsy misy hataka andro.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici