- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAndramasina : Lehilahy enina sy vehivavy efatra voasambotra noho ny halatra omby

Andramasina : Lehilahy enina sy vehivavy efatra voasambotra noho ny halatra omby

Vehivavy ny efatra tamin’ireo olona miisa 10 voasambotra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, distrikan’Andramasina, noho ny halatra omby. Izany hoe miandahy miambavy mihitsy izany ny asan-dahalo eto amintsika. Voarohirohy ho mpangalatra omby, mpiray tsikombakomba, mpanera omby halatra, mpividy sy mpivarotra omby halatra sy tsy misy taratasy izy ireo, raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Ny iray tamin’izy 10 no voalaza fa efa nigadra noho ny resaka halatra omby. Ireo omby halatra miisa fito kosa nampidirina ambalam-pamonjàna. « Ilazàna ireo izay mety ho tompony ho tonga ao miaraka amin’ny taratasy fanamarinana », hoy ny avy amin’ny zandary. Ankoatra ireo voasambotra, mpangalatra omby iray no maty voatifitra, rehefa nifanehitra tamin’ny zandary. Nogiazana ny poleta vita gasy teny amin’izy io. Marihana fa olona efa avy nigadra tamin’ny resaka halatra omby ihany koa izy io. Vaoalza fa nisy moto iray ihany koa tratra nandritra ny fisavana ny tranon’ireo mpangalatra omby. Hatolotra ny fampanaovana tsy ho ela.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici