- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndramasina : Mpirahalahy namono olona : ny iray nitolo-batana, ny iray namono...

Andramasina : Mpirahalahy namono olona : ny iray nitolo-batana, ny iray namono tena

Nenjehin’ny ratsy natao ve ? Mpirahalahy mipetraka ao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ambiaty, fokontany Ambohibemanjaka, no voarohirohy tamina resaka vono olona nitranga tao Andafiavaratra, ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io ihany, ny faran’ny herinandro teo. Tsy niandry ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana ny iray tamin’izy roa lahy fa avy hatrany dia nitolo-batana teny anivon’ny zandary. Ny iray kosa, hita faty tsy lavitra ny tranony. Voalaza fa namono tena. Tao amin’ny kaominina Alarobia Vatosolo no nisehoan’ity tranga hafahafa ity, ny talata lasa teo.

Raha ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao azo dia mpiray monina amin’izy ireo ihany ity lehilahy novonoin’ireto mpirahalahy ireto. Tsy fantatra izay tena anton’ny disadisa tamin’izy ireo ka niafara tamin’izao fandatsahana aina izao. Nitsoaka nandositra niala an’io tanana io izy ireo taorian’ny asa ratsiny nataony. Nandeha avy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina no tonga tao amin’ny biraon’ny zandary tany an-toerana ny iray tamin’ireo mpirahalahy, ary niaiky fa isan’ny namono an’ilay rangahy, izy sy ny rahalahiny. Nilaza ho tsy nahafantatra ny nalehan’ity farany kosa izy tamin’ny famotorana azy. Tsy niandry ela anefa fa taoriana kelin’ny nahatongavan-dranamana teny amin’ny biraon’ny zandary no nisy nampandre ireto farany fa misy olona hita faty ao anaty alana « sapin » tsy lavitra ny tanana. Rehefa nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitry ny tanana dia fantatra fa ilay rahalahin’ilay nitolo-batana izy io. Tsy nahitàna ratra teny aminy, raha ny fitsirihana voalohany natao, hoy ny fanazavàna, saingy kosa nahitàna zavatra nivoaka, toy ny faroratra ny vavany. Tsikaritr’ireo tompon’andraikitra ihany koa fa nahitàna tavoahangim-panafody famonoana voalavo tsy lavitra ny vata-mangatsiakany. Noheverina araka izany fa namono tena tamin’io ranom-panafody io ity lehilahy ity. Ilay rahalahiny kosa natolotra ny Fampanoavana any Ambatolampy, taorian’ny nanaovana famotorana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici