- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndramasina : Mpivarokena notafihana jiolahy, lasa ny vola 5 tapitrisa ariary

Andramasina : Mpivarokena notafihana jiolahy, lasa ny vola 5 tapitrisa ariary

Ny alin’ny talata lasa teo, tokantrano iray tany amin’iny faritra Andramasina iny no notafihin’olona 10 lahy mirongo kalaky. Lasa tamin’izany ny vola rehetra tao an-trano nitentina dimy tapitrisa ariary. Na dia nanapoaka basy aza ireto olon-dratsy, mba tsy nisy ny aina ny nafoy, na ny naratra tamin’io fanafihana mitam-piadiana io. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia mpivarokena iray, monina ao Anjorobe, Alatsinainy Bakaro ity niharan’ny fanafihana ity. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo no tonga ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny feom-basy nirefodrefotra. Ankeriny avy hatrany no nidiran’izy ireo tamin’ity tokantrano iray ity; izay efa fantampatatr’ireto jiolahy fa misy volabe. Teo anatrehan’izany rehetra izany moa, nentin-tahotra ny mponina rehetra ka tsy nisy sahy nivoaka. Teo ambany fandrahonana tamim-basy kosa dia nanaiky izay zavatra notakian’ireto olon-dratsy ny tompon-trano, namela malalaka azy ireo hisava ny tao an-trano rehetra. Vokany vola an-tapitrisany, niampy entana sarobidy maromaro no lasa. Marihana fa nitondra môtô ireto jiolahy ireto, ka raha vantany vao azo ireo zavatra nilainy dia nanjavona toy ny tsy teo izy rehetra. Toerana tsy lavitra loatra ny misy ny tobin’ny zandary anefa ity toerana ity, ka tao anatin’ny fahefatr’adiny monja dia tonga ireto farany, saingy efa nadio tanteraka ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsy nisy afa-tsy taim-bala sisa navelan’ireo olon-dratsy teo. Nanomboka teo avy hatrany ny fanarahan-dia sy savahao nataon’ireo mpitandro filaminana. Fantatra fa nianatsimo ny lalan’ireo mpanafika, nihazo an’Ambatolampy sy Antanifotsy iny. Tsy an-drenivohitra, tsy ambanivohitra tokoa fa efa tsara fitaovana ny olon-dratsy. Ambonin’ny basy mahery vaika entin’izy ireo mantsy, lasa lamaodin-dry zalahy indray ny mitondra môtô, hahafahana mitsoaka malaky kokoa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici