Vao mainka miha-biby ireo jiolahy rehefa manafika. Tany amin’iny distrikan’ Andramasina iny dia tokantrano iray no lasibatry ny asan-jiolahy. Tsy vitan’ny notafihana anefa, fa mbola nodoran’ireo olon-dratsy ihany izany trano izany rehefa vita ny asa ratsin’izy ireo. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra.
Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo no nitrangan’ity habibiana ity tao amin’ny kaominina Manjaka Andrefana, ao amin’ny distrikan’ Andramasina. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nahatratra teo amin’ny dimy lahy teo ireo olon-dratsy izay nirongo basim-borona. Amboletra avy hatrany no nidiran’izy ireo tao amin’ilay tokantrano. Tsy afa-nanao n’inon’inona rahateo ireo tompon-trano noho ny hery tsy mitovy. Vola mitentina eo amin’ny roa hetsy ariary teo no lasan’izy ireo araka izany, niaraka tamina zavatra sarobidy sasantsany. Tsy vitan’izay anefa, fa nentin’ireto farany hanakanana sy hanakonana ny fitsoahanan’izy ireo, dia nodorany ilay trano avy notafihany. Nikoropaka namonjy azy io avokoa ireo fokonolona taorian’ny antsoantson’ireo niharam-boina. Torak’izany ihany koa ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Hany ka nalalaka soa aman-tsara ny fitsoahan’ireo mpanafika. Araka ny fantatra, dia nizotra nihazo an’i Behenjy ireto farany. Efa mandeha moa ny fikarohana ireto mpanafika ireto amin’izao. Avotra soa aman-tsara kosa ireo fianakaviana voatafika. Voafehy tsy hiitatra ihany koa ny afo novelomin’ireo olon-dratsy.
m.L