Norarahana lasantsy ny trano dia nodorana nony avy eo. Tsy vitan’izany aza fa mbola nohidina tao anatiny koa ny tompon-trano sy nyzanany. Tao Sarotrovana-Andramasina no nitranga izany habibiana izany ny alin’ny talata hifoha alarobia. Tokony ho tamin’ny folo ora alina, nanapoaka basy indimy misesy ireo jiolahy telo izay nitondra basy lava sy poleta. Nentin’izy ireo nandemena ny sain’ny hotafihana izany fanapoahana basy izany. Rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo dia toa efa hainy fa misy vola ao. Norahonana tamin’ny basy ny raim-pianakaviana dia nasaina nanome ny vola, izay fantatr’izy ireo fa anaty kitapo iray. Fantatra fa vao avy nivarotra omby tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Talata-Amoronkay ity fianakaviana ity ny antoandron’io. Heverina araka izany fa narahin’ireo jiolahy taorian’izay ary dia io niharan’ny fanafihana io nony alina. Mba avotra ihany izy mianaka rehefa niady mafy nivoaka ny trano. Sady naratra izy ireo, satria novelesin’ny jiolahy tamin’ny vy ny lohany. Ny borigadin’ny zandary ao Ambohimiadana no manao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
D.R