- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndramasina : Norobain’ny jiolahy, ny chef Zap niaraka tamin’ny mpampianatra efatra

Andramasina : Norobain’ny jiolahy, ny chef Zap niaraka tamin’ny mpampianatra efatra

Nandrasan’izy ireo ho betsabetsaka aloha ny haza vao nohaniny ny hena ! Mpampianatra efatra, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra ny fampianarana (chef Zap) niampy mpamilina fiara iray no nosakanan’ny jiolahy telo, mirongo basy, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any, tao Sabotsy Ambohitromby, disitrika Andramasina. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo zandary tany an-toerana dia mety efa ho notilian-dry zareo ireto mpampianatra tratra alina ireto. Eny fa na dia efa olona efatra, miaraka amin’ny môtô aza no niaraka, mbola sahin-dry zalahy no nandromba azy. Mety efa ho fatampatany ihany koa fa tsy maintsy hisy fiarana mpitondra hena handalo eo amin’ilay toerana. Araka ny fanazavana azo mantsy dia nosakan’izy ireo aloha ireo mpampianatra ireto, tsy navelany anefa fa nandrasan’ireto olon-dratsy ny fiavian’ity fiara mpitatitra hena. Vantany vao nipoitra io, nosakanany sy nambanan’izy ireo ny basy, izay vao niaraka norobainy izy ireo. Vola mitentina enina hetsy ariary no lasa, niampy finday sy entana sarobidy tany amin’izy ireo. Nampandre avy hatrany ny zandary teny an-toerana ireto olona voaroba ireto, saingy indrisy fa efa nadio ny rano nitan’ireo olon-dratsy. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadina sy fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser