Niala teto an-drenivohitra ary hizotra ho any Ambohimiadana ity ramatoa izay tale eo anivon’ny orinasam-panjakana Jirama no niharan’ny asan-jiolahy. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, raha araka ny fanazavan’ny zandary dia notafihan’ny dimy lahy nirongo basy poleta sy kalachnikov. Nosakanan’ireo jiolahy ny làlana, nafatony tsirairay ny olona tao anatin’ilay fiara dia ilay ramatoa sy ny olona roa niaraka taminy. Nentina tamin’ny fiaran’izy ireo ihany nony avy eo ary niverina nitodi-doha taty an-drenivohitra indray ny làlana nizorana. Teo dia tsy fantatra mazava izay tena tanjon’ireto olon-dratsy ireto. Tonga teo amin’ny kaominin’i Sabotsy-Ambohitromby dia navoaka tamin’izay ireo olona ary natsivalana teo amin’ny arabe, asa izay tena saika hatao. Soa fa sendra nisy pôlisy izay sendra nandalo teo rehefa avy namita iraka tany Ambohimiadana. Gaga ireo raha nahita ny zava-nitranga : olona telo mifatotra sy tsy afa-mihetsika eo ampovoan’ny arabe. Tsy nila nieritreritra ela dia fantatra fa misy asaratsy tao ambadik’ilay tranga. Hita teo amin’ny manodidina rahateo ireo jiolahy izay nirongo basy. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tao anatin’izany no naratra teo amin’ny masony ny iray tamin’ireo pôlisy rehefa voatifitra. Raha araka ny fanazavana azo dia vola mitentina 80.000 ariary, finday miisa efatra no lasan’ireo olon-dratsy mitam-basy. Mandeha ny fikarohana azy ireo rehefa tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana.
D.R