- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndramasina : Tanàna 3 nasesin’ny dahalo nitam-basy notafihana

Andramasina : Tanàna 3 nasesin’ny dahalo nitam-basy notafihana

Noho ny firongatry ny asan-dahalo mitam-piadiana, dia mihorohoro fatratra ny mponina any amin’ny distrikan’ Andramasina. Afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny sivy ora, tanàna telo no nasesin’ny dahalo notafihana, dia ny tao Mangabe, Antsahakely ary Ambodiriana. Araka ny tati-baovao voaray, tokantrano miisa enina no voatafika tao Antsahakely sy Ambodiriana, ary nisy tamin’ny tompon-trano no naratra mafy voatifitra. Raha vao niditra ny tanàna ireo mpanani-bohitra, dia nanapoaka basy nirefodrefotra nentina nampihorohoana ny mponina. Noho ny tahotra, dia tsy sahy nivoaka ny trano ny olona, ka niliba ireo olon-dratsy naka ny vola sy entana tian’izy ireo. Tany akaikin’ny tanànan’i Mangabe ireo dahalo no nanapoaka basy farany sady nandositra, avy eo nadio ny rano nitany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici